1 Tsy fantatrareo va, ry rahalahy (famiteny amin'izay mahalala ny lalna aho), fa ny lalna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?

2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny laln'ny lahy izy.

3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.

4 Ary amin'izany hianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa hianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantiska ho an'Andriamanitra.

5 Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.

6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalna isika, satria maty amin'izay nihazona antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.

7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ota aho, raha tsy tamin'ny lalna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalna no nanao hoe: "Aza mitsiriritra" (Eks. 20. 17).

8 Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalna.

9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.

10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.

11 Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.

12 Ka dia masina tokoa ny lalna, ary masina ny didy sady marina no tsara.

13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalna.

14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.

15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.

16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalna.

17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.

18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.

19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.

20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.

21 Koa hitako izao lalna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.

22 Fa mankasitraka ny laln'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;

23 nefa mahita lalna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny laln'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny laln'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.

24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?

25 Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankat ny laln'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny laln'ny ota kosa amin'ny nofoko.
